Vondro-nosy Indôneziana
Apparence
Ny Tamba-nosin' i Indônezia na Vondro-nosin' i Indônezia, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe Nosantara (Nusantara), dia nosy maro mandrafitra ny firenena indôneziana na ny vondrona ara-jeôgrafia maro misy ny nosy rehetra ao aminy. I Indônezia no fanjakana lehibe indrindra eran-tany foronim-bondro-nosy, manomboka any Sumatra any Azia ka hatrany amin' ny faritra andrefana amin' i Ginea Vaovao any Ôseania. Amin' ny teny indôneziana dia atao hoe Kepulauan Indonesia io vondro-nosy io. Misy nosy 17 000 any ho any i Indônezia ka ny 922 amin' ireo onenan' olona maharitra.
Ny nosy lehibe
[hanova | hanova ny fango]- Vondro-nosy Sunda (indôneziana: Kepulauan Sunda)
- Vondro-nosy Sunda Lehibe (indôneziana: Kepulauan Sunda Besar)
- Vondro-nosy Sunda Kely (indôneziana: Kepulauan Nusa Tenggara)
- Bali,
- Lombok,
- Sumbawa,
- Flores,
- Sumba,
- Timôro: mizara amin' i Indônezia (Timôro Andrefana) sy i Timôro Atsinanana (firenena mahaleo tena).
- Vondro-nosy Maluku
- Ginea Vaovao: voatsinjara amin' i Indônezia (ao amin' ny faritanin' i Papua Pegunungan, i Papua, Papua Selatan, i Papua Barat Daya, i Papua Tengah ary i Papua Barat) sy amin' i Papoazia-Ginea-Vaovao (firenena mahaleo tena).