Fiteny haosa
Ny fiteny haosa dia fiteny afrô-aziatika (na hamitô-semitika) tenenina ao Afrika Andrefana, ao Benîno, ao Borkina-Fasô, ao Kamerona, ao Kôtidivoara, ao Ganà, ao Nizera, ao Nizerià, ao Sodàna, ao Tsady, ao Tôgô ary ao amin' ny Repoblikan' i Kôngô. Iray amin' ireo fiteny telo ianarana sy tetenina ao Nizerià ny fiteny haosa, fanampin' ny fiteny iôroba sy ny fiteny igbô.
Misy eo amin' ny 77 063 700 eo ny mpiteny haosa ka ny 55 800 000 ao Nizerià (taona 2020) ary ny 17 700 000 ao Nizera (taona 2019) fa ny sisa kosa any amin' ny firenena hafa.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Fiteny be mpampiasa ao Afrika
Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.